Hira hoan'ny Neny (Ludger Andrianjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Ty hisy hira ho anao
Hira hoanao ry Neny
Neny tsy mba foiko izao
Ka kaloiko ombeniombeny

Fahiny mantsy ianao
Nandrotsirotsy tamin'ny hira
Anjarako kosa izao
No manome sovenira.

Koa ho fantatrao
Ity hira ho kaloiko.
Ka hamalifaly anao
Ry Neny tsy ho adinoiko.

Raha ho avy ny fotoana
Tsy ahitako anao
Tsy ho aiko adinoina
'Reo soa vitanao.

Ny saiko mamelovelo
Ny andro niainanao
Ny foko na dia malahelo
Dia mbola hihira ho anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ludger Andrianjaka
Vangy : 992
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Bilagasy
Daty : 10/06/2020 19:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743