Ilay fitiavany (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ilay fitiavany, mbola reno-tory iny
Nataony tsy hifoha intsony :
Nahoana no notairinao ?

Fitia efa zatra, niantefa taminao,
Ninoany tsy ho faty indray :
Nahoana no nilaozanao ?

Nahoana ianao no sompatra ?
Moa heverinao fa mety
Ny misintona sy maka
Vatomamy mitoetra eny an-tanan-jazakely ?

Fitia efa zatra, niantefa taminao,
Ninoany tsy ho faty indray :
Nahoana no nilaozanao ?

Nahoana ianao no miangatra ?
Ka minia tsy mijery ny masony roa
Manganohano, miandry
Ny fitiavanao handalo?

Moa heverinao fa mety
Ny misintona sy maka
Vatomamy mitoetra eny an-tanan-jazakely ?

Dia ilay fitiavany…
--------
Rohy:
Hevitra
ravelomanarivoemma ( 29/07/2020 22:32)
Misy tokony ahitsy kely.
Efa nalefako any ihany ny fanitsiana.
Mankasitraka tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 12668
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 06/09/2002 11:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118