Tantara mitoetra (Joy K)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitamberina avokoa
Ny lasan-tsika roa
Raha vao mandreha, ireo hiran-tsika iny aho
Irery ato an-trano.

Atao ahoana moa
Ny fomba hanadinoiko
Tena mamy anie, mamy tokoa
Madio manganohano.

Any ianao izay,
Mànana ny fiainanao
Hirariko hatrany hatrany, mba hiadana.
Raha ny amiko indray,
Efa diso fantatrao
Ho tantara mitoetra am-po.

....

Enga anie ho feno soa
Ny fiainan-tsika roa
Ho feno tsiky ny amiko sy ianao
Ho lava fararano.

Ho atao ahoana moa
Ny fomba hanadinoiko
Tena mamy anie, mamy tokoa
Madio manganohano.

*Any ianao izay,
Mànana ny fiainanao
Hirariko hatrany hatrany, mba hiadana.
Raha ny amiko indray,
Efa diso fantatrao
Ho tantara mitoetra am-po.
(X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joy K
Vangy : 211
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/09/2025 00:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0203