tokatrano sambatra (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antoky ny fifaliako jesoa ô lazaiko Anao
Ny ankohonana niaviko raha mitodika Aminao
Rerak’izy ka atsangano manantena ny antranao
Amboary tokatrano mandohalika tononkira.serasera.org Aminao

Ry Jesosy oujn itokiako, ’zao mivavaka Aminao
Mba tahio ’lay dada tiako hiombon-dalana Aminao
Mbola zavatra iriko, sy itarainako toy zao
Ny fon’ilay reny tiako, mba kasiho ny tananao


Izy ireo dia miasa fatratra manan-javatra kendrena
Ary koa manafatrafatra hitomboanay fahendrena
Tsara izany nefa Raiko, izy ireo no andrandraiko
Hila anao ho fiantsapazana mba hahazoanay fahombiazana

Fifandira-mampisy efitra alavirina tokoa
Mifanaja mifandefitra zay no maha iray xvteccn hodz tampo
Ray sy reny olona ihany mety hiteny handratra fo
Fomban-javatra eny izany zaho dia zanaka manoa

Fa na ratsy ireo na tsara tena mamiko lalaiko
Hivavahako hanan-jara fanompoana Anao ry Raiko
Zay ankizy ray sy reny miara-mankato ny teny
Ny safidinay hitambatra ka ho tokatrano sambatra

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 19696
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 08/11/2004 05:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1672