Tena mino va ianao? (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mivavaka ianao
Isan'andro izao
Ka mitalaho miantso an'Andriamanitra
Nefa toa tsaroanao
Tsy mivaly hatrizao
Ny fangatahana natao.

Ny tena mino
Tsy misy adino
F'omen'ny Tompo valim-pitia lehibe
Mbola misy angamba
Zava-mahajamba
Mamatopatotra anao.

Ny manafina tsy hainy ekena
Fantany izay ao am-ponao
Raha tianao ny hoe hovonjena
Tsy maintsy mibebaka ianao
Mibebaha, 'zay no fahendrena
Raha tsy izay, tsy ho vohavahy ianao
Mitafia ny fanetren-tena
Raha tsy izay, tsy ho voavaha ianao.

Fa mahita anao Andriamanitra
n'inon'inona mahazo anao
Làlana tsara ny hitondrany anao
Toy ny nandehanan'i Jesoa Kristy azy
Ny ady hatrehanao
Ho avy ny andro izay mbola handresenao
Na hihatra amin'aina
Tsy maintsy sedraina
Hoe tena mino va ianao?
....
Hisy handatsa anao
Hisy haneso anao
Noho ny ady sarotra sy mafy hiaretanao,
Aoka tsy ho tomany
No hasetra an'izany
Fa saotra ho an'ny Tomponao.

Meteza anefa
Mba tsy hilefa
Na handao ny fanompoana hiantsorohanao
Na hihatra aman'aina, 
Tsy maintsy sendraina
Hoe tena mino va ianao?

Maro ireo voasedra toy izao
No miala eny an-dàlana
Aoka mba tsy ho an'isany ianao
F'aoka ho tonga fianarana.
Avelao hifandimby hatrany
Ny adin-tsaina sy ny sentonao
Fa ny ety tsy hilaozan'izany
Mijoroa minoa foana.

Fa mahita anao Andriamanitra
n'inon'inona mahazo anao
Làlana tsara ny hitondrany anao
Toy ny nandehanan'i Jesoa Kristy azy
Ny ady hatrehanao
Ho avy ny andro izay mbola handresenao
Na hihatra amin'aina
Tsy maintsy sedraina
Hoe tena mino va ianao?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 7656
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TELINAMALALA
Daty : 12/04/2013 20:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073