KATSAHO NY FANJAKANY (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

https://tononkira.serasera.org/hira/hosana/katsaho-ny-fanjakany

1 - Fa ny eto an-tany
Dia toerana tsy maintsy ialana
Tontolo manam-piafarana
Ataonao ve fa hahatamana
Isika dia vahiny ety
Raha ny eto ihany
No anananao fanantenana
Dia anao ‘lay fara-fahantrana
Katsaho aloha ilay fanjakana
Tanana tsara lavitra
Mba renao ve ny teny fikasany
Toriana isan’andro izao
Tsy maintsy to sy tanteraka izany
Na sanatria tsy hino ianao
Fitiavana
No anambarana anao izany
Lazaiko indray:
« KATSAHO ALOHA NY FANJAKANY »

2-Lazaiko anao
Fa manan-kery ange ny Rany
Sy ny olatry ny tenany any
Na tsy hitanao maso aza izany
Dia ho hitanao ireo asany
Izaho sy ianao
Tamin’ireo no efa voavidy
Ka tonga fanaka voafidy
Malala Tsiky dia ampysady sarobidy
Tena voavela heloka
Sa kosa ianao
Mbola hiandry fahitana
vao hino izao Jesosy izao
Tsy ho tantinao ny herin’ny
Fahajambana sy kapoka hanafay anao
Fitiavana
No anambarana anao izany
Lazaiko indray:
« KATSAHO ALOHA NY FANJAKANY »

3- Antsoina ianao
Ianao maniry ho sitrana io
Hiasa aminao Jesosy anio
Ilay tsy finoana teo ario
Ento aminy ny aretinao
Haingana ianao
Manana re fahasahiana
Aza manahy ireo mpanakiana
Na miherikakerika any aoriana
Miroso hatrany hatrany ianao
Zaran’ny ratsy aza mandrapaka
Mamiravira foana anao
Fa raha Jesosy no manafaka
Dia afaka tokoa ianao
Fitiavana
No anambarana anao izany
Lazaiko indray:
« KATSAHO ALOHA
NY FANJAKANY »

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Mpamaky : 1978
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Toocky
Tamin'ny : 26/08/2015 17:15:17
ID : 7683

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo