Sarobidy ho ahy (Groupe sarobidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
            Sarobidy ho ahy
Ry Ray tsy nanao am-po,fa manisy hatrany ny soa
Mampitraka ahy raha sendra ny sarotra
Tsy ho hainay ny tsy hisaotra anao
Fa sambatra loatra aho Tompo ô,miankina eo an-tratranao
Fa sarobidy ny aina nafoinao ho ahy
Nomenao ny tombon’andro aho ,afahako mihoby anao
Ka mifona aho sy mivalo e,ry Ray tsitoha

Réf : ka voninahitra anie ho  anao ry Ray ,fa ianao no tomponay
Ry Ray tsy mba mandao  anay ka hanankinanay ny fonay
Na maraina na hariva no hiantsoako anao
Dia mamonjy ahy foana ianao
Na fahoriana na fifaliana tsy mba manary ahy ianao

Mpanota tsy mendrika izahay, ka menatra hiantso ny anaranao
Tsy sahy hiandrandra ny lanitra
Nefa ianao no andry iankinanay
Ny teninao no mampahery ahy ,ka handeha aho tsy hisy ahiahy
Ny ao aminao no fianako rahatrizay
Ianao no hanitsy ny Diako raha toa aho solafaka
Ary ho fanantenako ety

Réf : ka voninahitra anie ho anao ry Ray ,fa ianao no tomponay
Ry Ray tsy mba mandao  anay ka hanankinanay ny fonay
Na maraina na hariva no hiantsoako anao
Dia mamonjy ahy foana ianao
Na fahoriana na fifaliana tsy mba manary ahy ianao


A/C:Hasina Niaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe sarobidy
Vangy : 291
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hasina1370
Daty : 23/12/2023 07:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014