Mitrakà foana (Groupe sarobidy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitrakà foana Ianao izay mila ho kivikivy ,
na mila hamoy fo amin’ny fiainanao ôô
Dia tsarovy fa tsy ho irery ianao ,
raha mbola eo ilay tomponao
Mitrakà miasà ary mazotoa ,ary ialao ny hakamoana
Ny fahalainana dia tsy mampandroso
Ka sao ianao ho tratry ny nenina
Ref x2 Mijoroa amin’ny fahamarinana
Satria ianao zanaky ny RAY
Halaviro ny fahalainana , ka matokia
Fa tsy ho very ianao , satria olona voafidy
Satria olona voafidy
Raha toa ianao ka manirery , dia kalokaloy ny hirantsika
Ary ho hitanao fa ho afaka , ireo sorisory sy hatezerana
Ry olona ô ô ô ! ,mitrakà fa aza kivy
Miasà ary koa miareta , fa ianao avy no ho fitaratra
Mandehana dieny malaina , fa ety tsisy azo antenaina
Hoe hitarainana ô ô !
Mijoroa tsisy tahotra
F’ianao ndray avy eo no ho fitaratra
Ref x2 Mijoroa amin’ny fahamarinana
Satria ianao zanaky ny RAY
Halaviro ny fahalainana , ka matokia
Fa tsy ho very ianao , satria olona voafidy
Satria olona voafidy
A/C:Hasina Niaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Groupe sarobidyVangy : 66
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hasina13790
Daty : 11/01/2025 09:42