Ny fiainana eto an-tany (Groupe Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ny fiainana eto an-tany
    Mandalo ady hatrany
    Koa mitandrema ihany
    Sao lavo ka tomany
    Ny tanjon’ilay ratsy
    Hahatonga anao ho faty
    Ho lavo tsy tafarina
    Tsy ho tonga an-danitra any

      Ref : Mba saino anie fa sao ho very ianao
              Voafetra anie fotoana hiainanao
              Koa dieny anie tapaho ny hevitrao
              Raiso Jesoa ilay Mpamonjy
              F’Izy ilay maty ho anao

2- Renao ve ny antsoantsony
    Sa ve modinao tsy re
    Tsarovy fa Jesosy
    Dia miandry anao ilay zanany
    Avia re manantona
    Fa Izy mandondòna
    Tandremo tratra afara
    Ka tsy manana anjara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Finoana
Vangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 20/01/2026 08:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0742