Hafatrafatra (Groupe Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Hafatra ho antsika ra-olombelona ô
    Hialao avokoa ny toetra ratsy
    Efa toa miseho ireo famataraa sy loza
   Tsy kilalao na koa sangisangy
   Aza dia variana manaratsy sy mitsara
   Ny hafa no mahafaly anao
   F’efa tena ho avy ilay Jesosy
  Tonga hitsara ny zava-drehetra vitanao

    Ref : Andeha re hibebaka ra-olombelona ô
            F’izay no solution mahavonjy anao
            Tena sambatra tokoa anie izay maty ao amin’ny Tompo
            Fa ao no misy fiainana vaovao
            Tsy angano angano anie ny paradisa fa dia misy
            Nomanin’I Jesosy Tompo anao
            Ka aza manahy ny anio sy ny ampitso
            Fa zanany ianao ka tadidio

2- Mba teneno kely ireo havana an-tanana
   Sy ny ao Jerosalemanao
   Sao manamafy hatoka ka manamafy fo
   Fa ny afo tsy misangy fa mandoro
   Any tena mafy ny zavatra hanjo
   Tsisy tsony ny atao hoe famindrampo
   Ka dia ny mbola ety dia diovy re ny fo
   Ka atolory an’i Jesoa ny mombanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Finoana
Vangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 20/01/2026 08:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1187