Hitako ny lalantsara (Groupe Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv : Hitako ny lalantsara ka hizorako
Azoko ny famonjena ka ho tànako
Tsy hivilivily intsony izany diako
F'hiroso hatrany , hatrany am-paran'ny tany(X2)

1-Na ho aiza ny lalana mbola haleha , tsy maintsy miroso
Tsy mahazo mitsaoka an-daharana koa, satria mpanompo
F'izay koa ilay voady natao tamin'ny TOMPO , tsy maintsy hefaina
Satana dia faly mamingana foana, fa aza malaina
Fiv: Hitako ny lalantsara...

2-Koa matokia ry mpanompo matoky fa tsy maintsy mpandresy
Fa ny sedra sy ny fitsapana natao mba hanefy
Koa aza taitra na koa mikoropaka ianao ny amin'izany
Fa ny vavaka sy ny finoana no ataovy matanjaka tsara

Fiv: Hitako ny lalantsara...(X2)
--------
Rohy:
Hevitra
fahendrena213 ( 28/08/2024 19:41)
Mbola misy ahitsy kely ny tonokira fa misy tsy ampy de rapitso vao lety
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Finoana
Vangy : 81
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : fahendrena213
Daty : 28/08/2024 19:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0806