Hiverina (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
             tononkira.serasera.org  Mavesatra ho ahy ny mieritreritra anao
              Manomboka ho lavo ny saina
         lxsjni      Miavosa ao anaty mitamberina hatrany
              Ny embona anao tsy hay fafana.

       Izaho te hiverin-dalana hanamafy indray
       ’Lay fatorana nisy teo iny
       Ampy ahy koa izay ny adiady
       Sy ireo ditraditra hatrizay.

              Manina foana, mahatsiaro anao
              Irery tsy natokan-dalana
              Mahatsiaro ireo ditra nataoko hany aho
              Tamin’ireny mbola zaza.

       Raha mba azonao atao anie
       Raha mbola nisy hafanana ao aminao
       Meteza ianao ho ahy foana hatrany
   bley     Fa tsy azoko meir atao anie ny tsy anilanao
       Ny ambo-po no mety ho diso toerana
       Aleo handefitra amin’izay tsy natao ho antsika
       ’Zay hahasoa no aoka iaraha-miaina androany
       Raiso aho fa hiverin-dalana indray.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0538