Miverena (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ho herin-taona lasa izay
No nandaozanao ahy
Tsy misy valiny hatr@ izao
Ireo fiangaviana natao
Miverena amin’izay
Fa lasa ho fijaliana ho ahy
Ilay miandry anao isan’andro izao
Tsy mety ny atao

Brdge+refrain
Fa na izaho na ianao
Eny hatr@ izao
Inoako fa samy mbola tia
Fa na izao na rahoviana
Ny foko tsy ho gina
Miantso anao
Mitady anao
MBA HIANTRAO!!!

Akaikin’ny foko ianao
Antoko hatr@ izao
Mamiko loatra raha any fitiavanao
Na lavitra aza ianao
Ny saiko makany aminao
Naleoko tsy nisy
Raha toa tsy nisy anao
Ka miverena


Ekeko aloha fa sarotra ihany
Ny handao ireo havanao any
Fa ny alahelo mikotrika ato anaty
Mila ny tsy ho tanty
Rahoviana ihany ianao
No mamaly izao antsoko izao
Midradradradra fa lavitr’olon-tiana
Tsy mety hangiana

Bridge+refrain:
Fa na izaho na ianao
Eny hatr@ izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Green
Vangy : 1707
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 22/06/2018 12:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3188