Fiainam-baovao (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihevitra foana aho fa toy ny omaly ihany
Ny fiainako hatrizay
Niezaka ihany aho ny hoe hamalifaly anao
Tspako izao fa toa very maina izany
Ireo ezaka natao hatrizay
Niova ianao, nanjary lasa mampiahiahy
Fantatrao fa ianao io ihany anie
’Lay niriako hatrizay
Nihevitra aho fa raha ny handao
ianao tsy ho sahy
ny hamela ahy hangahiahy.
Rahoviana vao mb ho tsapanao io ihany
Rahoviana vao mba horaisinao
’Lay fitiavako anao mitombo hatrany hatrany
miboiboika tsy mety ho lany
’Reo fotoana kely mba niarahantsika
Hikoako fa tantara mbola tsy ho vita
Koa miangavy anao aho raha azo atao
Ndao hanorina fiainam-baovao

Nihevitra foana aho fa toy ny omaly ihany
Ny fitiavanao hatrizao
Niezaka ihany aho ny hoe hahasambatra anao
Tsapako izao fa toa latsaka an-tany
Ireo toky nomenao hatrizay
Niova ianao, izaho no lasa very fanahy.
Fantatrao fa ianao io ihany anie
Ilay niriko hatry ny ela,
Sanatria ho ringana tsisy tavela
Zay mba tao am-ponao
Rahoviana

Izaho anie tsy hoe manery anao
Na manoro anao zay tokony hatao
Fa miangavy mafy sy mitalaho
Miantso anao
Rahoviana...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Green
Vangy : 5150
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/08/2002 10:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188