Ry zanaky ny Filazantsara, (FIFOHAZANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Ry zanaky ny Filazantsara,
Isika anie ka manana anjara:
Vavolombelona hanambara
Ny asan'i Jeso Tompo soa.
2
Ry notahian'ny Tompo Jehovah
Ry zanaky ny andro mazava,
Toloran-kafatra hampisava
Ny aizim-be manodidina.
3
O! ry tanora izay tafahoana,
Isika anie marain-dohataona!
Taom-pafnafazana ka hararaoty:
Fafazo voa ity tany ity.
4
Ry eo an-tanimbolin'ny Tompo,
Aoka mba ho mpanompo mazoto
Mba hampahery sy hampitombo
Ny Fanjakan'i Jehovah Ray
Fiv
Ento afafazo ento ny teny soa
Ka samia mazoto Amin'ny asa soa,
Hanao isan'andro,
Hanao an-tsitrapo,
Amin'ny zotom-po,
Ny asan'i Jeso Tompo soa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANAVangy : 1371
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 03/01/2015 18:28