Soa (Feon'ala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ino maresaka any lahy e
Hoy ny olona o
Avy lahy e, avy Soa
Soa oh oh, Soa ah

Zana-baratra any lahy e
Hoy ny olona o
Misahotaka e ny an-tanàna
Soa oh oh, Soa ah

Viavy malaza tsara i Soa ka halan'olo oh oh
Viavy malaza tsara volo
Viavy malaza tsara Soa
Viavy malaza tsara sora
Viavy malaza tsara vinty
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah

Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah
Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah

Malaza mangala amaton'olo
Malaza mangala sôngon'olo
Malaza mangala sipan'olo
Malaza mangala vadin'olo
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah

Ino maresaka any lahy e
Hoy ny olona o
Avy lahy e, avy Soa
Soa oh oh, Soa ah

Zana-baratra any lahy e
Hoy ny olona o
Misahotaka e ny an-tanàna
Soa oh oh, Soa ah

Viavy malaza tsara Soa ka halan'olo oh oh
Malaza mahay manambitamby
Malaza mahay manafosafo
Malaza mahay mandrebireby
Malaza mahay manatsaka
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah

Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah
Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah

Anao koa mitondra akanjo tsara
Akanjo nameam-bazaha
Anao koa manao kiraro tsara
Kiraro namean-tsinoa
Anao koa magnano kavin'tsara
Kavy namean-karana
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah

Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah
Soa o, Soa ah
Soa anao Soa e, soa ah

Anao koa mitondra akanjo tsara
Akanjo nameam-bazaha
Anao koa manao kiraro tsara
Kiraro namean-tsinoa
Anao koa magnano kavin'tsara
Kavy namean-karana
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah

Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah
Viavy tsara e, irian'olo ah tsiah
Viavy tsara e, halan'olo ah tsiah
Viavy tsara e, irian'olo ah tsiah
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ala
Vangy : 100
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rrafiringa
Daty : 26/09/2024 02:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248