Osik'i Gasikara (Feon'ala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-)
Volagnareo avy Antsiranana
Ny maro tody an-tseranana
Volagna ny any Ankaragna
Mifankatiava e!
Fombantsika mifampitantana
Osik’i Gasikara

Tenin-drasarak'i Toamasina
Ny maro no teny masina
Tenin’i Antsinanana
Mifankatiava e!

Refrain:
Mpihavana aby e!
Ny Atsimo ny Avaratra
Tsara hira, tsara dola, tsara koragna
Mpihavana aby e!
Ny Andrefana ny atsinanana
Tsara hira, tsara dola, tsara koragna

2-)
Kabaro dreo avy aty Boina
Ny maro tsy mba tra-boina
Kabaron’ny Sakalava
Mifankatiava e!
Safa soan’i Toliara
Mpilongo no mahatsara
Tafan'Androy agny
Mifankatiava e!

3-)
Hoy ny kilongan’i Fianarana
Atambaro raha te hiaragna
Tarogny betsileo
Mifankatiava e!
Vazo ny havana aty arivo
Ny mitambatra mpanarivo
Vazon’ny renivohitra
Mifankatiavava e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ala
Vangy : 9917
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/11/2001 12:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739