You are here: home > Tononkira > Feon'ala

Tandrignesa zaho (Feon'ala)

https://tononkira.serasera.org/hira/feonala/tandrignesa-zaho-1

Lany fanahy zaho fa mahia
Lasa eritreritra e
Ny mahita anao tsy mahatsiaro
Ny adidy maro miambina anao

Karama zara misy tavela
Mody antanana
Donko anao mamemlon-tsakeza
Ka manadino ny vady ato antrano

Magnino ma ano atsià tia mavandy
Magnendrikendrika e
Ataonao zaho tsy manam-panahy
Anarinao isanandro isanandro

Donko anao nahita ny hafa
Ka mila tôra
Fombambiavy magnafin-kilema
Tia magnaratsy ny tsara atao azy

oooo
Tandrignesano zaho
Rendrarendra tsy ialagna antragno

Ny olo-tsara tsy vady
Songo tiagna tsy amelonjaza
Tiavo ny antegna fô izy
Kakazo tolagna
Randrambao mahataitry
Neffa mbola mora vahagna
Ny ela mahazatra
No tamagnaTsiky dia ampy maharitra e

Vadiagna tsy ho vao lalandava
Fa mba mandreraka ee
Ny zaza anefa tsy ahita hasambaragna
Izy koa tsy agnilan’i baba sy neny

Amboaro tsara fo sy fagnahy
Tsy ho voatarika eee
Tsy ho resin’ny fakam-pagnahy
Zay mila handrava ny fitiavantsika

ooo
tandrinesanao zaho
rendrarendra tsy alana antrano

Mizara ny tsara sy ratsy
Iray fo ny mpifankatia
Tomendry lohataogno zalahy
ka tsara koragna
Sendra zaho malahelo
Mba maheza manambitamby
Ary itiavako anao
Ampodiana matetika e

......

Mizara ny tsara sy ratsy
Iray fo ny mpifankatia
Tomendry lohataogno zalahy
ka tsara koragna
Sendra zaho malahelo
Mba maheza manambitamby
Ary itiavako anao
Ampodiana matetika e

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feon'ala
Mpamaky : 11970
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : IMR
Tamin'ny : 28/05/2009 02:22:25
ID : 5574

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo