Ho mpanomponao (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isan'andro izao Jesosy ô no navotanao
Isan'andro izao ny famindraponao
ts'isy fetra ny fitiavanao
Ilay ranao no rano nanadio ny lotoko
Ka tonga vaovao

Ny fakam-panahy Jesosy ô no mamatotra
Manavesatra ny zioga entinay
Hitanao fa mijaly tokoa
Ianao indray Jesosy ô no nomboina
Noho ny ota sy ny ditrako

Raha mahita Anao Jesosy ô ity foko
Mahatsiaro menatra ka mitoloko
Fa tsy nahatsiaro fa ilay ranao Jeso
No nalatsaka ka tonga olon'afaka aho

Atolotro Anao (Ity tenako)
Ny fo sy fanahy (Raiso ho Anao)
Fa vonon'izao (vonon'aho izao)
Ho mpanomponao ( ho mpanomponao)
Mandrakizay, Ho tia Anao
Hanaja Anao, Mandrakizay
Amen

T/F: Eden RAKOTOHASIMBOLA
(c) Chorale Sedera Ambalavato
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Sedera Ambalavato
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : SederaAmbalavato
Daty : 18/05/2026 12:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0397