Fi.Fa.Fi (Finoana - Fanantenana - Fitiavana) (BITSIKA Mandroseza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô! Finoana, fanantenana, fitiavana

N’inon’inona atao ka hankinina am-pinoana
Dia tsy ho sarotra ho anao ny mafy izay midona
Fanantenana mpankahery, soa Ianao fa nisy hatrany
Hanasitrana ratram-panahy mampitomany

Ny fitiavana ilaina ho antsika miara-miaina
Ary ny lehibe indrindra, fitiavana voarindra
Andriamanitra fitiavana, Izy no Ray mampihavana
Ratsy ny mihatsara ivelan’ny tsihy ka aleo mifankatia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BITSIKA Mandroseza
Vangy : 171
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raveloson195
Daty : 05/05/2024 12:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2677