hizara fiainana (azofi fjkm ambohipo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ry namako ô andeha hizara fiainana
Fa ny tena fiainana, fanazavana ny olona
Iza indray ary no hany azo itarainana
Fa tsy isika izay fanjakampisorona

Andeha ary hitory ny teny fikasana
Hilaza fiainana ao amin'i Jesoa irery ihany
Aza tia tena na koa mihanahana
F'izany anie no antom-pisianao eto antany

Efa nahazo maimaimpoana ianareo
Ka mizara toy izany amin'ny hafa koa
Maro no miantsoantso hoe avia jereo
Izarao fiainana fa mafy ny manjo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : azofi fjkm ambohipo
Vangy : 463
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Divins
Daty : 23/02/2023 14:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7284