Medley azofi (azofi fjkm ambohipo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VOADINAY
Izao no voadinay aminao ry Jesoa
Ny hanompo anao ka tsy hifidy asa mora
Hianatra, hitombo tsy hanao kitoatoa
Ho mpitarika indray ireo mbola tsy voafora
Koa hazony izahay mba tsy ho solafaka
Hahaizanay manefa ny voady izay natao
Tantano sy vimbino fa efaolon’afaka
Mba ho mandrakizay ny fiainam-baovao

FITIAVANA
Fitiavana nonaneken’i Jesoa nanolotra ny ainy
Ka ny voninahiny sy ny fiandrianany tsy nolaniany
Fa nanetry tena izy ho tonga nofo tety an-tany
Niaritra ny mangidy mba ahazoanao ny mamy
Noho izany tsy misy toetra, toetra ambonin’ny fitiavana
Ilay manarona fahotana maro ho fahombiazana
Ilay fitia, fitia agape ihany anefa no ampiharo
F’io no avy amin’Andriamanitra ka ny hafa atsaharo

HALELOIA
Haleloia, haleloia, toky ho ahy sy ho anao
Ilay mpandrsy ny fasana
Haleloia velona Jesoa


FINOAKO ANAO
Na mafy ireo manjo, mila ho kivy ny fo
Mijaly koa ny fanahy, marary sady manahy
Enjehina ampahoriana, miaritra fijaliana
Enjehina etsy sy eroa, tena mamaky ny fo
*Na mafy ny manjo, mila ho kivy ny fo, mijaly ny fanahy
Enjehina am-pahoriana, miaritra fijaliana, tsy ataoko mampanahy

HO AIZA IANAO
Aza dia variana manjehy ny andro lava
F’efa antomotra ny fihavian’ny Tompo
Mitandrema sao lany vatsy
Ka tsy todisoa am-parany any

MISANDRAHAKA
Reo andro maro niadiana ny ady tsaran’ny finoana
Mendrika ny isaorana ny Tompo Andriamanitra
Mampisy ony mamy manondraka ny tany
Mamelombelona ny fiainana
Misandrahaka tsara famony
Toy ny hazo eo amoron’ny ony
Misandrahaka tsara famony
Toy ny hazo eo amoron’ny ony
Manome voa tsara tokoa

TARANAKA VOAFIDY
Taranaka voafidy mba ho vato velona
Mpanangana ny rava ka tsy hihirimbelona
Mijery ny mahantra ireo ory sy manjenjena
Hahasitrana ratra, fitia tsy noterena

FIAINANA MANDRAKIZAY
Ny fitandremana ny didy, Ny fahafoizana ny rehetra
Tena toetra sarobidy, baiko sady koa fepetra
Ny fanaovana ny marina, ny fandrenesana ny teny
Tanjona izay ho tratrarina, fanalahidy ho anao ireny
Hahazoana ilay zava-tsoa
Dia fiainana mandrakizay
Tsy iza io fa Jesoa
Ilay teny fikasan’ny Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : azofi fjkm ambohipo
Vangy : 245
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Divins
Daty : 23/02/2023 15:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2755