MITADY ANAO (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! henoy izao hirako izao
Vizana miteny aho, mitady izay hahasoa
Noheveriko fa any ho any misy toerana iray
Henika hasambarana hay izaho diso lalana

Tompo ô! (Choeur)
Izaho mitady anao
Kristy ô (choeur)
Tsy mendrika ny ho zanakao
Fa raiso ho mapomponao
aoka ianao no hanoro ahy
ny lalana alehako
Fa ny lalanao
No hany tsara

Tompo ô henoy izao hirako izao
Ny ratsy esory tsy hanenika ny aty foko ao
Eny fantatrao Tompo ô! raha ny fahalemeko
Tsy miafina aminao Tompo ô vonjeo

Ref …..

Tompo ô oh oh izaho mitady anao
Kristy ô ô ô Inty aho iraho aho
Mila anao anie aho, mila anao
Mila anao (Eny) Tena mila anao aho
Ianao ry Jesoa no antenaiko mba hitantana ny diako
Fa ny lalanao no hany tsara

Ref ……
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 328
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 20/01/2023 09:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785