MAMELA NY HELOKAY (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nao le Ndragnahary e! lombao ‘zahay fa marary e !
Magnalavitsy ny lalanao izao tontolo izao
Gny raty ro mahery fa Anao verivery
Tompo ô ! mamindrà fo aminay e !

Mamelà ny helokay fa diso lehe ‘zahay e !
K’aza avelanao hiady irery fa tantano tsy ho very
Lombao ‘zahay Ndragnahary
Lombao ‘zahay mba hanjary
Tompo ô ! mamindrà fo aminay e !

Nao lehe Jesoa ô ! lombao ‘zahay fa voa
Mirimorimo gny zandrinao ka magnaligno anao e !
Ny vola ro tompoiny fa Anao tsy tsaroany
Kristy ô ! mamindrà fo aminay

Mamelà ny helokay fa diso lehe ‘zahay e !
K’aza avelanao hiady irery fa tantano tsy ho very
Lombao ‘zahay Ndragnahary
Lombao ‘zahay mba hanjary
Kristy ô ! mamindrà fo aminay e !

Nao lehe Fagnahy e ! lombao ‘zahay fa tsy sahy e !
Handay ny hazofijaliana hitory tsy hangina
Ny nofo ro miteny fa Anao tsy jereny
Tompo ô ! mamindrà fo aminay
Ah ! ha ! ha ! …

Mamelà ny helokay fa diso lehe ‘zahay e !
K’aza avelanao hiady irery fa tantano tsy ho very
Lombao ‘zahay Ndragnahary
Lombao ‘zahay mba hanjary
Tompo ô ! mamindrà fo aminay e !

A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 323
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 12/01/2023 09:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3777