Tsy Hahasaraka ahy (APF TANGAINA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tsy nahomby sy tsy nety aza ny zavatra nataoNa ho korotan-dava sy ho savorovoro aza ny fiainanao
Na nesorinao ny olo, tokan'ny fonay
Ny hanome tsiny anao ry Ray... ataoko sanatria
Tsy hahasaraka ahy Aminao izany Jesoa ô
Satria ny Tananao Mahery no miazona ahy
Ka matoa aho tsy miala (matoa aho tsy miala), Matoa aho mbola eto (matoa aho mbola eto)
Dia ny Fitiavanao no mitahiry ahy, Ka fikiro aho Ray
Izaho tsy hidongy harena be avy Aminao
Na tsy hahazo valim-bavaka aza aho ety an-tany
Na ho fahoriana e! ny manara-dia anao
Dia hahatoky hatrany aho, tsy hiala Aminao
Tsy hahasaraka ahy Aminao izany Jesoa ô
Satria ny Tananao Mahery no miazona ahy
Ka matoa aho tsy miala (matoa aho tsy miala), Matoa aho mbola eto (matoa aho mbola eto)
Dia ny Fitiavanao no mitahiry ahy, Ka fikiro aho Ray
Improv: Mino aho fa tsy hampitondra
Izay tsy zakako Ianao e!
Ka raiso aho Jesoa ho Anao, ho ao an-dapanao
Ooooo!!Tsy hahasaraka ahy, Aminao ny zavatra miseho ... x2
Na dia tongotra sy fanenjehana
Hijoroako amin'ny finoana
Tsy hahasaraka ahy Aminao izany Jesoa ô
Satria ny Tananao Mahery no miazona ahy
Ka matoa aho tsy miala (matoa aho tsy miala), Matoa aho mbola eto (matoa aho mbola eto)
Dia ny Fitiavanao no mitahiry ahy, Ka fikiro aho Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : APF TANGAINAVangy : 156
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nomenasyaina
Daty : 10/10/2025 09:09
