Fitiavana iray (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key G[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.] ×2
Fo sy saina ary fanahy,
no nomenao ho anay,
mba hampiasainay hatrany
hanehoana fitiavana.
Taratry ny hafaliana
izay natolotrao ho anay
ilay fitia tsara indrindra,
ka saotra no asandratray.
[Indreto izahay!
Fo, saina, fanahy,
nampiombononao ho iray.] ×2
[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.] ×2
Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.
A/C Maholy Todison
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby VontovoronaVangy : 824
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:34