NY FAHASOAVANAO (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nivezivezy teny aho
Nikaroka izay mahasoa
Nandeha an-jambany tamin’ny fiainako
Nitindra ny amiko manontolo
Nampiasa izay rehetra nananako
Dia nihevitra handray ny valin’ny fisasarako

Fiv: Dia raha nifaly tokoa anie aho
Raha sendra tomany ihany koa
Dia fisedrana hitomboan’ny finoako
Tsapako androany, ambarako izao
Ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

2-Dia niherika ny lasako aho
Fony aho nandà tsy nihaino Anao
Nanenina ireo androko nangidy ho ahy
Fa anio aho vonona hanohitra sy hankatoa
Amin’izay lalana tianao hitondranao ahy

3-Manaiky aho Tompo ô! ny amin’izay voatendrinao
Fa ny hany angatahiko, ny tananao hitantana ahy
Ny masonao hibanjina ahy, ny sainao hihevitra ahy
Tompo ô ! mila Anao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1389
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 03/05/2017 11:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889