Misaotra (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny akama tsy nino raha nilazako hoe tsika misaraka,
aiza ny taloha na hoany amin’ny WC aza miaraka,
ateriko dia avy eo ndray ndry alaiko any ampianarana
tsy vita fomba nefa tsy nifampiantso tamin’ny anarana
fa indry miantso ahy hoe vadiko nena kosa sopi,
satria lay piso ndray no avadiko,
manodidina aza gaga hoe raha indry no NENY
izaho tonga dia manaiky ho lasa DADA.
Mpitsiriritra antsika firy no mila lasa adala ?
Lokaloka ery hoe fofon'aina ny mametra,
babo ny foko ka nanome zay amiko rehetra,
tsy nanampo akory hoe indry kay efa manan-tompo
fa raha fitia tsy kilalao izaho niezaka ny nanatombo .
Tsy afaka tsaraiko amin’ny zay fonony akia ny boky
fa raha fihetsika ohatr’izay izaho aloha natoky .
Fa indry no anjarako raha mbola ho soloina
fa na mangidy na mamy ny antsika miaraka sotroina .

Iriko anie raha izy zay hiverina anilako eto indray,
hamerina amiko ireo taloha,
hItoetra ho ilan’ny fanahiko.


Nandeha ny taona ianao tato ho ato tsapako niha-niova,
toa tsy hita foana vao niteny izaho hoe mba mandalova,
nandinin-tena soa kosa mba izaho aloha no diso
ka niteny hoe ahitsio raha misy tsy mety ataoko piso.
Ny fihetsiny efa milaza ny zavatra tiany ho tenenina,
fa izaho mbola tia dia miezaka ny miala nenina.
Mamerina ireo sangisangy zay tiany taloha,
Mandefa teny mamy ho an'azy maraina vao mifoha,
fa ny fitiavana tsy mety kosa raha tsy hifamaly
ka tsy aleo mampionon-tena ve raha sanatria hijaly.
Soa ihany izaho fa efa zatra atosika ohatran’ny vavahady,
raha tsy anjara ny antsika dia any akafa aho no hitady.
Fa any misy tiako inoako koa fa tia ahy,
dia tapitra hatreo ny fiantsoako an-dry hoe silam-panahy,
hadinoy ny antsika fa tantara indray miserana
ka dia aleo aloha izaho handeha sao tratran’ilay tompo-toerana

Iriko anie raha izy zay hiverina anilako eto indray,
hamerina amiko ireo taloha,
hItoetra ho ilan’ny fanahiko.

Na misy aza ireny tsy hanozona aho na hiantso tody,
io fitiavan’io koa sady aretina no fanafody,
am-pitsikiana no ilazako hoe misaotra anao nahafoy,
fa feno fahasambarana ny fiarahantsika
nahafoy na vola, na fitiavana enao tsy nitsitsitsitsy
fa nomenao ahy daholo miaraka amin’ny tsikitsiky,
sarotra fafana ny amintsika fa ho avaloko,
aza manahy fa izaho tsy handray anao ho fahavaloko,
fitia tsy anjara fa tsy hoe nisy ratsy nifanaovana
ny tena ko tanora be ny tany azo ilalaovana,
tsy haiko ianao raha ohatra ahy fa izaho aloha manantena hoe
tsisy avonavona raha toa isika hifanena,
sitrana aho amin’izay ka tsy hahatadidy intsony zay vita,
resaka mpinamana ny antsika vao mifankahita .
izaho tsy hiondrika na resy aloha amin’izao
fa mahaleova mahalasàna akia, misaotra anao….!

Iriko anie raha izy zay hiverina anilako eto indray,
hamerina amiko ireo taloha,
hItoetra ho ilan’ny fanahiko.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 21216
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : meva64
Daty : 19/10/2013 13:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.176