Adino (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niova ho avo be lay paradisa
Adinony ianao ty ka lasa toa tantara sisa
Ohatran'ny hoe tsy vavany 'lay niteny tamin’iny
Hoe ankoatran'ny mamany dia ianao no vehivavy tena tiany
Nataony anefa ireny hanababoany ny fonao
Fa rehefa azony zay nilainy de lasa izy nandao
Ka tsy mba nohenoiny ianao na niteny hoe mijanona
Fa izy ndray no tezitra lasa tsy nanao veloma
Lasa nampifila te hiteny hoe za tsy mila
Na lay sarinareo roa aza efa nodorany ho kila
Ianao no namafy ny hafa ndray no toa nijinja
'Lay fitia natokany ho anao irery ary nasainy nifindra
Natolony olon-kafa fa ianao efa voafafa
Izao enao manganohano mitadidy indray ny lasa
Tsisy mampangina na dia ontsan’ny tomany
Fa izy any ho any sady mitsiky hoe izaho angaha tsy efa tany!

Ianao 'lay nitalaho tsy mba nohenoiny
Fa olon-kafa indray no nomeny ny fony
Adinony ianao

Ohatran’ ny andro ririnina ny azy ny fivadiky ny lela
Nampatoriany tamin'ny toky sy voady ianao d’efa tavela
Dia iny ianao fa nino hoe izy ve dia hahavita handainga
"Marina fahotana" hoy izy sady ny tànany miainga
Vehivavy vao nokaotina tsy miteny na dia tia
Dia ny lehilahy tsy hiteny zany koa hoe mampirafy an-dry
Tsy mitovy ny lamba notenaina sy ny lamba mivalona
Mety anao izy amin'ny antoandro fa an’ny hafa izy amin'ny alina
Fa 'zay tia adala, ianao matoky sy mahalala
Fa nijanona ho tokam-po toy ny voromailala
Nefa izy any ambadika any ange manao ny ataony
Sady mamisavisa hoe oviana ianao vao mba ho laony
Miandry kendry tohana fa lany tsiro ianao
Ka ny hafa indray no tiany horohana
Fihetsikao na mitory fitia, lazaina fa manafintohana
Lasa nasiaka fiteny, tofoka hono izy e!
Ny hafa indray no jereny

Ianao 'lay nitalaho tsy mba nohenoiny
Fa olon-kafa indray no nomeny ny fony
Adinony ianao
--------
Rohy:
Hevitra
mamodiopiaroly@gmail.com ( 29/11/2014 07:44)
milay ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 23564
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/09/2014 21:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117