Ho an'i (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy izay ny filalaovako fitia
Tojo ny tiako aho ity ka sahy hilaza amin’izay
Fa ho tokam-po doria
Tsy voady sady tsy toky zany ry tiana
Fa faniriana
F'eo ny foko 'zay mitempo ho anao mangina
Tiako ny tenako fa ianao mbola tiako lavitra
Ianao no harenako
Ndao tsika hifanavotra
Tsy boboka raha izaho no ianteherana
Laniako aminao ny hatanorako
Eny hatramin’ny fahanterako
Ka na ho paradisa na indraindray ho disadisa
Raiso fa ho fenoiko fitiavana ho anao ny androko sisa
Aminao aho no hiteraka
Tànanao no tiako hanotra ahy raha hisy fotoana aho ho reraka.

Ianao sy izaho no efa voasoratra fa hiara-dàlana,
Ka ny foko mandà raha tsy ianao no sila-panahy.

Aleo tsy ny resaka no ataoko betsaka
F’efa ato am-poko ianao io no mipetraka
Saro-piaro aminao aho fa tsy ataoko mihoam-pampana
Fa tsy tiako fa sao dia zay no hahatonga ny làlantsika hisampana
Matoky foana aho na misy namanao lehilahy
Fiainana tsy efan’ny irery, torak’izay koa ny ahy
Dia indraindray aho lasa saina rehefa eo ambony kidoro
Hoe ny fitiavana ohatran’ny afo
Alavirina mampanara
Akaikezina mandoro
'Zaho zatra safosafo
Tsy anilanao aho manimanina
Akaikinao aho tsy te hiala
Satry foana hijanona
Ka aminao aho no hiteraka
Tànanao no tiako hanotra ahy raha hisy fotoana aho ho reraka.

Ianao sy izaho no efa voasoratra fa hiara-dàlana,
Ka ny foko mandà raha tsy ianao no sila-panahy.

Aleo ny foko no hanambara
Fa ianao no tiako hatrany afara
Ka manomboka androany
Dia sahiko ny milaza aminao ry neny
Ny ahy ianao ihany
Na maro aza ireo vehivavy hitako eny.

Ianao sy izaho no efa voasoratra fa hiara-dàlana,
Ka ny foko mandà raha tsy ianao no sila-panahy.
--------
Rohy:
Hevitra
SederaMioty ( 09/05/2018 18:41)
tsara ka
boyanjahnah ( 20/09/2019 00:35)
hatsiarovako sy mampanembo ahy ity tononkira iray ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 15633
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/02/2015 16:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122