Vavaka (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….

SKAIZ :
Androtsay ilay fanahy masinao
fa mamay ny ady entin-janakao
ireo fahoriana, fijaliana
mba anesory fa aza ampina
mifamaly amin’ny fiainana mafy lafa izao
fafao ato aminay ny hakiviana
dia mba soloy ilay fifaliana
ireo olana maro ry Ray mba vahao

impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….

AGRAD :
ity aho fa resy ka ny finoana ato amiko hamafiso
tantano aho Ray tsy hirona hoany @ lalan-diso
aza avela manjaka ato anatiko ny herin’ny maizina
mpanota nefa diovy kosa Tompo fa aza faizina
raha tena izahay ny hoavin’ny firenena
ireo tanora mitovy amiko omeo amboaram-pahendrena
fanahy kolokoloina
fa indraindray mitady hanimba anay ny fanantontoloana
any ho any, misy mijaly manontany
hoe ohatran’ny ahoana ny lokon’izany fahasambarana izany
ity aho mitalao, fa tsisy afa-tsy ianao
no afaka hivimbina ho an’ireny izany maraina vaovao
Gasikarako moa! oviana vao mba hiova
mbola fahantrana hatreto aloha izao ny ataoko lova
fa mino aho fa ho hampianarinao mihaino ireo mpitondra
ka handre ireo hetahetanay na iray minitra monja
ny mpankahala, ny fahavaloko,
ovay ny fony, hahay hitia ny kalokaloko
teneno izy fa mifona tamin' izay teniko nandratra
ao fa ovaiko teny mamy foana amin' izay ireo latsalatsa
Raiko tsy mba manavaka
henoy fa izany ilay vavaka

impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 11301
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/01/2015 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718