Tanindrazana (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[SKAIZ]:
Tsy mila hafa intsony aho f'ianao no tiko ôô!
Gasikarako io zalahy tsy ho ariako ôô
Tanindrazanay,tena maminay,tsy atakalonay

[AGRAD]:
Tongasoa eto Madagasikara
Nosy midadasika manan-karena ala
Mivalapára,ho any Diégo ianao sa andeha ho any toliara
Tsy ireo ihany ny faritany fa misafidiana tsara
Saro-piaro @ fiaviko aho zay no mba fantaro
Andalam-pandrosoana fa tsy amidy tsy atakalo
Gasy zahay ka tia fihavanana,tsy tia fiavonana
Manome hasina ny Razana aho fa tia fiangonana
Ny gasy tsy tia basy mifameno tsy mifamono
Mivoatra ara-toe-tsaina fa tsy taraiky any @ vanim-potoanan'ny haza sy jono
Mifohaza ry gasy!!
Ndao hiditra sekoly hianatra taratasy

Refrain:
[SKAIZ]:
Tsy mila hafa intsony aho f'ianao no tiko ôô!
Gasikarako io zalahy tsy ho ariako ôô
Tanindrazanay,tena maminay,tsy atakalonay

[AGRAD]:
Na misy aza ireo tia tena isaorako ny avo izany
Aleoko ireny no eto toy izay hoe tsunami na horohoron-tany
Faly za fa manana
Sakafonay tsy kebab fa vary gasy sy anana
Tiako ny tanindrazako dia marary ihany ny fo
Raha mitombo isa-minitra ny karána sy ny sinoa
Tsy hitsanga-menatra aho satria manan-karena
Porofon'izany ny andramena vatosoa sy volamena
Ireo zava-boahary maro toy ny biby isan-karazany
Ndao andihy afindrafindrao dia aveo ndray vako-drazana
Samia áry sarotiny @ ireo vakoka sy lova
Tsy harodana ny tsangam-bato tsy dorana ny rova

Refrain:
[SKAIZ]:
Tsy mila hafa intsony aho f'ianao no tiko ôô!
Gasikarako io zalahy tsy ho ariako ôô
Tanindrazanay,tena maminay,tsy atakalonay

[SKAIZ]:
Tsy manavakavaka fa gasy tia firaisan-kina
Izay tonga eo arabaina na avy aiza avy aiza fiaviana
Mahajanga sa Tamatavy
Fianara,Toliara sa Diego
Antananarivo tsy foiko fa reo samy tiako ôô!
Tsy hoe mitsidik'ilay Gasikara tamána aaa
Nosy maintsy maha te ho tia sady mafana aaa

Refrain:(*2)

[SKAIZ]:
Tsy mila hafa intsony aho f'ianao no tiko ôô!
Gasikarako io zalahy tsy ho ariako ôô
Tanindrazanay,tena maminay,tsy atakalonay
--------
Rohy:
Hevitra
Nns16 ( 16/09/2016 07:13)
Mlay
Velomanjaka ( 31/01/2022 13:55)
Tiako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 4604
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/09/2016 09:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7501