LOL (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
oh! lety ra-Agrad eh! ialahy koa ve mba kôpy?
hoe amin’izao ny olona sasany ohatran’ny lasa mitôkitôky,
fa ao ny bizarre ao ny mihagahaga
indraindray ialahy ohatran’ny hoe mijery video gag
mahatsikaiky lesy indraindray,
ohatra : misy sipakely angalan’ialahy num finday
d izao ny kôziny hoe : tu n’est pas vraiment beau
alors, je ne peux pas te donner mon numéro
izany ny eto amin’ny tanàna ny style
ao koa ny bandikely eto mampi-smile
ny akanjo anaovana tery manara-batana
taolana mifona oditra nefa ny rahavana
ny volo lavabe tazomina amin’ny bicodie
dia ny vatana fenofenoana fatim-by
raha mikôzy ialahy odiny fanina,
fa izy hono bandy akaman’ny simple plan!

ref : Manampatsinay lesy papa a!
Ny eto amin’ny tanàna fa tsisy quoi!
Mampihomehy, mampikakakaka a!
Ataovy hoe : hahaha!

raha ratsiratsy ny tarehy blabla no ataovy bonne
fa tsy mahazaka mignonne raha tsy manana million
eto tsisy beau gosse, fa rehefa misy sôsy,
ialahy dia reven’ny kali na dia hoe bandy moche moche!
izay ny eto amintsika, tato ho ato lesy mety vaky Tsimbazaza
fa nivazo koa ny rajako satria mba te-halaza
feno foza mihintsy ny radio sy ny télé
nefa ny feo raha tany anaty pazzapa dia bêtisier
aiza ra-Skaiz ah! (ahoana izay lety)
hampiasa babylis aho izao dia hividy fihogo vy
amin’izay mba tian’ny kali fa hoe izaho no bon jovi
isika hono lesy anarany ihany ny rappeur
nefa mbola miondrika eny amin’ny friperie center
fa tsy mahatakatra ny akanjo ao amin’ny Dago Urban Wear
mahalatsaka ahy ny zava-misy,
fa be ny sipa no midongy métisse

ref : .....

Aiza ry baby! raha izaho oa indry miova fika
fa ‘lay : «‘zah tsisy num!» raha CD izany efa kiaka
teneno fotsiny hoe : «‘zah ry bandy tsy hanome ah!»
fa menatra aho hampiseho anao ‘lay ZTE
dia milamina aho fa tsy eo miseho matérialiste
nefa mila ho torana rehefa mahita ahy mi-freest
Aaan! azafady, raha mandona ny taim-bava
fa tsy ‘ty efa kôtina indray no mbola miavona lava

‘zaho ve no taraiky tsy maharaka échange
mahitan-dry zandrikely ohatran’ny Bob l’éponge
ny kitro anaovana mi-décolle
nefa ny geste bobaka amin’ilay mampiteny LOL
eny an-dalana miseo mba mi-speak
nefa rehefa anontanina kay sarin-diky
mba mi-charme hono ra-Charlot
ny sipa mba kôtikôtiny nefa rigolol

Bis : lol lol lol lol lol lol lol lol ......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad sy Skaiz
Vangy : 11960
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 28/08/2012 22:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718