NY FITIAVANA NO DIDY (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hafatrafatra ho anao
Izay napetraky ny Tompo
Ilay didy vaovao
Ho anao

mba mifankatiava tsara
Ary koa miraisa hina
Fa izany no takiana
Aminao

Ref/Ny fitiavana no didy
Lehibe sy ambony indrindra
Ary tena sarobidy
Ka tsy voavidy

Fa ho sambatra tokoa
ka ahazo valisoa
Izay mahay mifankatia
Sy miara-dia

Tiavo re ny namanao
Tahaka ny tenanao
Ary tiavo koa Jehovah
Tomponao

Ka ny fitiava-tena
Dia tena ho resena
Tanterao re lay didy
Vaovao

Ref/
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Vangy : 39
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AFIF
Daty : 11/08/2024 05:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748