Sambatra izay voavela heloka (AFAFI Taninanandrano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko intsony ny hanambara
ny fitiavanao ahy ry Jesoa
Fahaverezana no anjara
sahaza ho ahy zanakao
Nefa tsy mba narehitrao ny fahatezeranao
nodiovinao toy ny oram-panala ireo otako

Moa tsy efa niantso ny anaranao va Aho, hoy Ianao
K'aza mba matahotra na mierikerika foana Ianao
Fa Izaho no Andriamanitrao
'Zay mitantana anao amin'ny tànana ankavanako

Sambatra 'zay olona voavela heloka
ary voasarona ny fahotany
Sambatra izay tsy isain'i Jehovah heloka
ary tsy misy fitaka ny Fanahiny

Mba henoy kely ange ry foko
'zato feo mibitsika anao
Mitaraina sy mitoloko
fa te hiditra ao aminao
Ianao mihitsy no Iriny
ho sakaiza Itokiany
Sambatra indrindra ianao
raha mba tsarovan'Ilay Tomponao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAFI Taninanandrano
Vangy : 787
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : H.A.J.
Daty : 09/08/2020 22:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224