ADIM-PANAHY (AFAFI Taninanandrano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Holazaiko Aminao eto anio
Raiko ô ! zany adim-panahy
Fa tafiotra miampy tadio
Ka toa mila hanafotra ahy
Ianao sisa mantsy ry Ray
No hany fanantenain'ity fo
Ô ampio aho fa mangahiahy
Mila tsy hitraka ny loha
Hiery Aminao ve ? reo ota izay natao
Aza jerean re zao hadalako izao
Ny famindram-ponao io no andrasako
Hamafa ny talaho sy ranomasoko

2-Hatrizay aho, naniasia
Nanalavitra ny valanao
Kanjo sendra ny rano mania
Teo vao niantsoantso Anao
Ô vonjeo aho Jesosy mahery
F?efa fefika ny ota aho izao
Aza afoinao fandrao dia ho very
Ka ho faty ity zanakao
Ny halemeko ve ? Indro efa fantatrao
Fa nofo ihany anie ity adalanao
Ny ranao latsaka mba hanadio ahy
Io no hanafaka ny ratran?ny fanahy
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:23)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAFI Taninanandrano
Vangy : 3193
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Tx3
Daty : 29/05/2017 22:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4035