Inty ny foko (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andranomaso aho no miantoraka AminaoRy Jesosy Tompo be fitia
Fa voavono Ianao hanafaka ahy
Maty Ianao hisolo ny heloko
Jesosy ô, noho ny otako
Mafy anie ny nihatra tamiNao
Ka ny hany azoko atao e
Inty ny foko re mba Anjakao
Inty ny foko ry Jesosy Tompo malala ô
( Inty ny foko Tompo ô)
Raiso re mba ho fonenanao re
( raiso re ka Anjakao)
Nanenina aho tamin'ireo vitako hatrizay
( izay vitako hatrizay)
Ankehitriny re ifonako
( -triny re ifonako )
Resinao aho Jesosy ô
Babonao, ny foko feno Anao
Inty ny foko re Jesosy ô,
mba raiso re ka Anjakao
[ Resinao ]
Resinao aho Jesosy ô
[ Babon'ny Fitiavanao ]
Babonao, ny foko feno Anao
[ Inty foko feno Anao ]
Inty ny foko re Jesosy ô,
[ Tena resinao ]
mba raiso re ka Anjakao
[ Ka Anjakao ]
Inty ny Foko re Jesosy ô
Mba raiso re ka Anjakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)Vangy : 243
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : CJ21
Daty : 02/01/2026 13:29
