Fiderana (VLM Benivary Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I/
Fifaliana ny miaraka amin'I JESOSY
Fa lehibe tsy hay tohaina ny heriny
Anarana mahagaga no isalorany
Izao rehetra izao asan'ny tanany

Izany indrindra no tsy anginanay
Fa ampiakaranay ny feo
Ho entinay midera Anao
Midera Anao ry Ray

Refrain
Fa fiderana isanandro isanandro
No atolotray ho Anao ry Ray
Dera sy laza Tompo oh
No ventesinay ho Anao
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Tsy miova Ianao, tsy miova Ianao

II/
Ny androm-piainanay Tompo oh
Atokanay ho Anao
Anandratanay avo ny voninahitrao
Fa tsara Ianao, tsara Ianao
Fa mendrika Ianao, mendrika Ianao
Ankalazaina anie Ianao ANDRIAMANITRA RAY

Refrain ...

Tsy miova Ianao
Tsy miova Ianao
Tsy miova Ianao!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Benivary Antsirabe
Vangy : 258
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BENIVARYvlm
Daty : 24/09/2025 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2497