INONA NO HAVALIKO (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
INONA NO HAVALIKO?

Inona no havaliko Anao ry Jesoa Tompo
Noho ny soa 'zay efa nomenao hatramizay
Tsy tambo isaina isan'andro isa-maraina
Ny fahasoavana natosakao ry Ray

REF:
Tsy nojerenao akory ny hadalàna vitako
Fa ny voninahitrao no hitako
Tsy misy ataoko rehareha afa-tsy ny fisinao
Hiderako Anao ny andro sisako


Ny mbola angatahako Aminao ry Jesoa Tompo
Dia ny hanomezanao ahy fo mahay mitia
Ka tsy hankahala fa hanome 'zay tena tsara
Na ireo mpanenjika na mpankafy

REF:
Tsy nojerena akory ny hadalàna vitako
Fa ny voninahitrao no hitako
Tsy misy ataoko rehareha afa-tsy ny fisinao
Hiderako Anao ny andro sisako

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 10/10/2023 12:04)
inona no havaliko?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Vangy : 840
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 10/10/2023 12:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1316