tovolahy (Tselatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro ange tazano
Ity tovolahy toa efa mamo
Toa mandroroa fijery
Toa miteny irery
Tovolahy tsy mba misotro firy
Indrisy niova izy ankehitriny
Tsy maotimaotina toy ny fahiny
Oriory,misotro sy migoka
Dia mamo koa ny fony e!
Pinara sisa fanafody
Fa i kalakely lasana tsy nody
Maharary izy e,dia tsy ho avotra intsony ve
Oriory nisotro sy nifoka
Ka tomany be ny fony
Tavoahangy botakely
Io indray no toa mamy toa tantely
Sisa azony nasolo an’ilay kalakely
Pinara sisa fanalana
Fa le namany lasana tsy tamana
Marary izy e!
Dia arianareo tokoa ve!
Oriory,nisotro sy nigoka
Ka katry be ny fony
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselatra
Vangy : 8772
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Radama
Daty : 11/04/2005 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735