KAMBOTY (Tselatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro izaho fa irery
varina nilalao andrefa-trano tao
nanao fangalam-piery
tsy nahalala ny hisaraka aminao
ianao ’lay sasa-niady,vizan-drery nibaby
ary niafy
ref(1):(neny)3ny taratrao tsy ho very
nitondra hazavana tsy manan-tsahala
(neny)3tsy sitrako ny irery
ka hiraiko,tanisaiko, fa tantarako
Ianao ’lay tiako indrindra,nanondraka ny soa
voaraikitra ao am-po
nampianatra ahy nandrindra
fa na lasa azy ianao andriko ny anatrao
ka harenako ianao,mbola velona foana
’lay anaranao
ref(2):(neny)3tsy maty akory ireny
mibitsika misoko, manjary kaloiko
(neny)3 kintana mijery
ny hombako,nahitako masoandroko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselatra
Vangy : 19696
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : TWOTAH
Daty : 17/08/2005 00:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122