FITIAVAKO (Tselatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty ny fitiavako atolotro anao
Raiso re ny foko ka anjakao
Ka aza toerina fa izy ity tsy kilalao
Aza atosika fa fo mitempo ho anao!
Doran’ny fitia miredareda tia hiaraka aminao
Ianao irery no mba tiako
Ho tantanako hitosiako
Ka na mora na sarotra no ho diavina
Fitiavako anao dia maharitra
Tsy fantatro zay marina
Fa jamba aho ka mpahina
Misakodim-panina,ny rivotra hiainako
Toa manitra anao(*2)
Na inona kindona na inona kindranga
Na iza andrivotra hanavandra é
Marim-pototra ny antsika izao sy anao hiara-dia
mandrakizay
Tsy fantatro... (*2)
Fitiavako re,efa homeko anao
Efa homeko anao aho
Efa homeko anao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselatra
Vangy : 11962
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 11/10/2005 11:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753