Fitiavana mandrakizay (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Rainay Tsitoha IanaoMisaotra Anao tokoa izao rehetra izao
Midera sy mankalaza ny Anaranao
Noho ny famindram-po izay natolotrao
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Avy amin'Ilay Ray, Andriamanitra tsy mandao
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Hatrizay ka hatrizao
Maro ireo izay variana amin'ny fiainana izao
Ka tsy mihevitra ny ao an-danitra ao
Ho avy ny Tompo Mpanjaka mahery
Hanangona indray ireo olom-bery
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Avy amin'Ilay Ray, Andriamanitra tsy mandao
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Hatrizay ka hatrizao
Andriamanitra no miantso ny olony izao
Hiverina ho ao am-balàny ianao
Hiala amin'ny ratsy sy ny aizina maro be
Ianao ilay tsy foiny hanalavitra azy e
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Avy amin'Ilay Ray, Andriamanitra tsy mandao
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Hatrizay ka hatrizao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVangy : 67
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 11:19
