You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Lazao azy (Tovo J'Hay)

https://tononkira.serasera.org/hira/tovo-jhay/lazao-azy-2

Ampitapitao any ny hafatro
Raha mba mandalo any ianao
Lazao izy hoe
"Efa ela ihany no tsy tazany
Sa efa adinonao ny fisiany ao"
Raha toa sitrakao, izao lazao :
"Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy miova, na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Valio tsottononkira.serasera.orgra eny na tsia"

Dia bitsibitsiho eo an-tsofiny
Fa mbola tia azy aho hatramizao
Raha sanatria mifanohitra
Izay valin-teniny holazainy anao
Raha toa sitrakao dia izao lazao
"Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy miova
Na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia, dia ho doria
Valio tsotra eny na tsia"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 10743
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 15/06/2004 10:48:00
ID : 983

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo