Misaotsy Aba (Thierry d'Ihorombe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anao Zagnaharin'ny tany
Sy ny voaary rehetra ao aminy
Anao Zagnaharin'ny Lanitra
Sy izay rehetra ao aminy
Misaotra anao noho ny andro
Sy ny fotoana omenao anay e

Ny soa nafafinao ho anay e! Mahavelo ô!...
Ny ari-tananao ivelomanay e! Mahavelo ô!...
Fiaignanao no iaignanay e! Mahavelo ô!...
Hasoavanao iadagnanay e! Mahavelo ô!...

Lehibe gne fitiavanao! Misaotsy  Zagnahary e!
Gnanakao nafoinao ho anay, Misaotsy  Zagnahary e!
Fanahinao magnamasy e! Misaotsy  Zagnahary e!
Tretriky ahay manana anao. Misaotsy  Zagnahary e!

Misaotsy Aba… Nizara gne soa
Misaotsy Aba … Nizara hasoava
Misaotsy Aba … Nizara haveloma
Misaotsy Aba … be fitiava hanao

Avy aminao ny loharanom-pahasoavanay e!
Ry Ray be indrafo tsy mahafoy anay e!
Misaotra anao izahay
Fa ampy ho anay ny fahasoavanao e!

Misaotsy anao mpahary anay e!     Misaotsy e!.
Misaotsy anao nahary anay e!     Misaotsy e!.
Fitiavanao no nampisy anay e   Misaotsy e!....
Fahasoavanao no nahatoy izao anay e!       Misaotsy e!....

Lehibe gne fitiavanao! Misaotsy Zagnahary e!
Gnanakao nafoinao ho anay e! Misaotsy Zagnahary e!
Fanahinao magnamasy e! Misaotsy zagnahary e!
Tretriky ahay manana Anao.

Misaotsy Aba… Nizara gne soa
Misaotsy Aba… Nizara hasoava
Misaotsy Aba… Nizara haveloma
Misaotsy Aba… be fitiava hanao

Misaotsy Zagnahary e!
Nanome hasoava ho anay
Misaotsy Ragnandria
Misaotsy e e e! a a a…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Thierry d'Ihorombe
Vangy : 311
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ramanantsialonina
Daty : 16/10/2025 16:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0337