Famonjena (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana :
Injao ny feony fa mandona
Miantsoantso ireo izay mbola mania
Ka miverena sao hanenenao
Fa Izy hanolotra ny fo vaovao

Ho famonjena ny fanahinao
Ho famonjena ny fanahinao
No nahatongavany ho anao tety
No nahatongavany ho anao tety
Nefa mba aiza moa? Sa hanamafy fo?
Hifikitra amin'ireo fanao taloha

Fiverenana : Injao ny feony fa mandona ...

"satria raha manaiky an'i Jesoa ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena." — Romana 10 : 9 - 10

Ho famonjena ny fanahinao
Ho famonjena ny fanahinao
No nahatongavany ho anao tety
Koa mitsangàna ianao izao anio izao
Fa mbola miandry ao ny anjaranao

Fiverenana : Injao ny Feony fa mandona ... (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 120
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 16:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072