You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Mila Anao (Tanora Masina Itaosy)

https://tononkira.serasera.org/hira/tanora-masina-itaosy/mila-anao

1- Mila Anao aho ka tsy haiko ny hangina tsy hiantso ny Anaranao.
Mila Anao aho ho fanefitry ny ratsy handreseko ny fakam-panahy
Ka na sarotra aza anie ny dia, dia efa vonona aho hanolotra Fitia
Ho Anao Ray, ho Anao, ho mandrakizay

Zay vao tsapako tokoa fa hadalana ny mandà fa Jesoa Kristy
No nanolotra ny Ainy mba ho Famonjena antsika mpaniasia
Zany indrindra ry Raiko be Fitia no tsy amoizako Anao fa matokia
Ka matokia, matokia fa mandrakizay

REF : Avia Jeso Kristy, mila Anao 'zany dia
Hitari-dalana, mandra-pahatonga ary
Ka na loza na sabatra tsy, mba matahotra fa matoky
MananTsiky dia ampya Anao Jeso Tia Mpamonjy Mahery

2- Tsisy miafina eo imasonao Ray ny lalana ho diavinay
Nefa kosa ankehitriny Ianao manolotra fo vaovao
Mba hanananay fiainan-tsoa ery, tsy ho mpiasa tsy hahefa sanatria
Fa hazoto sy hanompo Anao ho doria

Tanjonay ny haneho am-pifaliana fa mamy ny eo Anilanao
Hampiseho sy hampitsiriritra ireo mbola manidy fo
Hahatonga azy ireo ho mpankato, ka hijoro sy ho tena sahy tokoa
Ho mpanompo mahasoa anio sy ho doria

REF:
Avia Jeso Kristy, mila Anao 'zany dia
Hitari-dalana, mandra-pahatonga ary
Ka na loza na sabatra tsy, mba matahotra fa matoky
Manana Anao Jeso Tia Mpamonjy Mahery

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 229
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 08/05/2020 06:53:18
ID : 12713

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo