Kalvary (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaky ny maheno aho
Na mahita soratra hoe (Kalvary)
Dia tsaroko Ianao Kristy nijaly
Nihari-pery tsy namaly
Nalatsa-drà Ianao
Noho ireo hakason’ny tany
Jesosy ôôô!

Nampandefitra ambom-po Ianao
Nefa dia afaka
Nanaisotra jaly
Ho an’ny tenanao

Ref:

Tsy mba zakan’olombelona
Izay nihatra taminao
Ary tsorina fa ny ainao mihitsy
No natao sorona Jesosy ô!
Mafaitra loatra re Jesosy izany ka ny mba hany
Azoko atao dia
Ity ny foko homeko Anao izao

Ôôôô, …

Mahonena ny fo tokoa
Ny nahazo Anao ry Tompo (fa nombohina)
Omeo hery aho mba tsy ho lefy
Hiasa tsy hihoatra ny fefy
Mba hamelomako
Ny anaranao ry Kristy Mpandresy
Ilay nahafoy ny ainy ho ahy
Hiasa ho anao maharitra
Mba tsy ho sasatra
Na hoe hitaraina
Reraka aho Tompo ô!

Ref (x2)
Azoko atao dia
Ity ny foko homeko Anao izao

Ôôôô, …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 25380
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : syl20michel
Daty : 03/09/2012 16:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742