Anjara masoandro (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tompo o ,mitaraina Aminao
izahay mpanomponao
Mba miangavy sy mitalaho
Mafy anie izao iainanay izao
Miandrandra Anao fa fotoany izao
Hitondranao fiainam-baovao
Ka ny ota mangeja anay
mba vahao amin'ny anaranao

Mba omeo zay anjara masoandronay izahay
Nofiko aninkeo ny ho tafita amin'izay
Jesosy o,mamela ahy sy ny fireneko
Hitanao ny manjo anay
Kanefa ny sitrakao rehetra ekeko
Ampianaro aho mba hahay
Hiankina Aminao

Fa Ianao irery ihany no antenainay hamaly
Ny hataka sy fitalahonay Tompo ô
Na mandindona hatrany ny ratran'ny omaly
Sambatra aho fa manana Anao
Miatrika ady mahamay ankehitriny izahay
Nefa manam-panantenana aho Tompo ô
Fa hiposaka indray ilay masoandroanay
Tsy maintsy mandresy izahay
F'Ianao no miahy

2- Tompo ô,hitanao avokoa
Ny hadalana vitanay
Isan'andro aho raha vao mifoha
Toa mitady hamerina indray
Fa ny Anao tsy maintsy arovanao
Manoloana izao hita izao
Izay mitarika anay hamitaka indray
Ilay nahafoy ny ainy ho anay

Mba omeo zay anjara masoandronay izahay
Nofiko aninkeo ny ho tafita amin'izay
Jesosy o,mamela ahy sy ny fireneko
Hitanao ny manjo anay
Kanefa ny sitrakao rehetra ekeko
Ampianaro aho mba hahay
Hiankina Aminao

Fa Ianao irery ihany no antenainay hamaly
Ny hataka sy fitalahonay Tompo ô
Na mandindona hatrany ny ratran'ny omaly
Sambatra aho fa manana Anao
Miatrika ady mahamay ankehitriny izahay
Nefa manam-panantenana aho Tompo ô
Fa hiposaka indray ilay masoandroanay
Tsy maintsy mandresy izahay
F'Ianao no miahy ( Ianao Ray no mitantana anay )
Ny fiainanay (tsy misy ahiahy fa matoky izahay)
Mandrakizay (vavaka iray no indro asandratray )
Ho Anao zahay (mandrakizay mila Anao izahay )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 4918
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 16/05/2020 10:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223