NOHO NY FAHASOAVANAO (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko hadinoina ny fitiavanao
Fa reko mangina voatsiahy am-poko ao
Ilay Famonjena vitanao tety
Miraikitra ato an-tsaiko hampianatra ahy hitia

Fa feno fifaliana aho satria mahatsiaro afaka
Ny teninao no tokiko mameno ny finoako

Feno hafaliana anatiko ao
Noho ny fahasoavanao
Saotra sy dera ho Anao tokoa
Ry ilay Mpanjaka Tompo soa

Ny aretiko omaly sy ireo ratram-poko
Tsy averiko eto androany fa lasa tsy tsaroako
Na ny orana mikija na rivotra mifofofofO
Tsy hampaninona ahy f'Ianao efa ato am-poko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Vangy : 2607
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pinou
Daty : 01/02/2013 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1141